Fampianarana

Tohin’ny fampianarana Samy manana ny fanapahan-keviny ireo sekoly


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Sahiran-tsaina ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ankehitriny, indrindra fa ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina.

 

 

 

 Misy amin’ireo sekoly tsy miankina mantsy no nandray fanapahan-kevitra nanomboka ny volana mey lasa teo ka nanome devoara ny ankizy tsy hiatrika ny fanadinam-panjakana hatao any an-trano ary ny naoty azo avy amin’izany miampy ny teo aloha no tsaraina ary izay no handefasana ny mpianatra iray hifindra kilasy na tsia. Tsy misy banga ny saram-pianarana ao anatin’izany ankoatra ny volana Aprily lasa teo izay tsy notakiana mihitsy. Betsaka amin’ireo Ray aman-dReny anefa no sahiran-tsaina, indrindra fa ireo miasa isan’andro. Tsy maintsy manokana fotoana hanazavana lesona amin’ilay zanany mantsy izy ireny no sady manokana fotoana mba hanaraha-maso ihany koa ka mila tsy ho vita. Misy amin’ireo sekoly tsy miankina sasany indray no niantso fivoriana ny faran’ ny herinandro teo ka nanapa-kevitra fa amin’ny volana septambra indray vao mitohy ny fampianarana. Tsy maintsy mandray anjara kely tamin’ireo saram-pianarana telo volana tsy naloany kosa anefa ny Ray aman-dReny izany hoe : nanomboka ny volana aprily lasa teo hanohanana ny mpampianatra. Izay zava-bitan’ny mpianatra nandritra ny fotoana nianarany araka izany no hitsarana ny mpianatra iray. Marihina moa fa raha niandry fatratra izay mety ho vahaolana aroson’ny filoham-pirenena mikasika ny fampianarana ny rehetra ny alahady alina teo dia tsy nisy mihitsy izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT