Fampianarana

Tohin’ny fampianarana eny Ankatso Handray fanapahan-kevitra anio ny SECES


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Ny 14 aprily teo no nihaona tamin’ny praiminisitra Ntsay Christian ny avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES Sampana Antananarivo raha ny nambaran’ny filohany, ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina.

 

 

 Na dia tsy tena afa-po aza, hoy izy, izahay dia nanapa-kevitra fa isaorana ny praiminisitra sy ny minisitra tompon’andraikitra satria tsy an-tanana ny fitanana an-tsoratra ny fihaonana. Nohajainay ny finoan’ny rehetra ary antony nampiatoana ny fitokonana teo. Anio alakamisy 25 aprily, raha ny voambarany, no hisy fivoriambe hanapahana izay mety ho tohin’ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, eny Ankatso. Antony, hoy izy, dia mba hitadiavana izay fomba hanalana ny ahiahin’ireo mpianatra mialoha ny fidirany ny 29 aprily izao. Fampanantenan’ny praiminisitra ny handraisany ny fangatahana ireo “reclassement” mikasika ireo fangatahana miisa 110, hoy ny filohan’ny SECES. Noho ny fampiharana ny antsoina hoe fitohizan’asa na “continuité de l’Etat” dia hijery izay zakany koa ny fanjakana mikasika ireo fangatahana azo hampidirina ao anatin’ny tetibolam-panjakana manaraka eto. Hanaovana fihaonambem-paritra ny mikasika ny fifidianana ireo ho tompon’andraikitra eny amin’ny oniversite, raha ny nambarany hatrany. Raha mbola nilaza ho tsy afa-po moa ny SECES dia nilaza kosa ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo, ny Profesora Mamy Ravelomanana, fa efa niravona tamin’iny fifampidinihana tamin’ny praiminisitra iny ny olana rehetra ary ny resaka fanatsarana fotodrafitrasa hifanaraka amin’ny rafitra LMD izao no asa miandry ity filohan’ny oniversite vaovao ity. Miankina amin’izay hitranga anio anefa no mety ho tohin’ny fampianarana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT