Fampianarana

Tetik’asa « Mois du Numérique » Olona manodidina ny 3000 no nahazo tombotsoa mivantana


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Nifarimbona ny teo anivon’ny fitaleavam-paritra miisa enina eto anivon’ny MNDPT na ny Ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny Fanovàna ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra dia ny Analamanga,

Mahajanga, Toliara, Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana nanatontosa ny hetsika volana ho an’ny Nomerika na ny “Mois du Numérique" nandritra ny volana novambra teo, araka ny fampitam-baovaon’io Minisitera io. Sokajin’olona marobe, toy ny mpianatra, mpampianatra, mpiasam-panjakana no nisitraka izany, tahaka ireo Chefs ZAP, ny Talen-tsekoly, ny Officier supérieur militaire, sous-officier sy “troupe militaire”, ny mpiara-miasa teo anivon’ny Ministeran’ny Tanora, ny Ministeran’ny Atitany, ny Ministeran’ny Angovo, ny Ministeran’ny mponina, ny Ministeran’ny Rano ary koa ny teo anivon’ny CNAPS. Nianaka nanerana ny nosy, tsy nifidy sehatra na ivon-toerana hanomezana fahalalana ka isan’izany ny seham-pampianarana : EPP, CEG, Lycée, Oniversite, ny fokontany maro teto amin’ny Nosy, ireo fikambanana maro samihafa any amin’ny faritra toy ny fikambanam-behivavy, ny ivon-toerana mpitaiza tanora dia ny skoto zazavavy sy zazalahy, ny tanora mpanao fanatanjahantena, ny ivotoerana mpiahy sy mpikarakara ankizy kamboty sy nianjadian’ny herisetra, ny vondron’ny antoko-pivavahana musulman,… Tetik’asa natao ho fanakaikaizana ny mpiara-belona eny ifotony, hiadina amin'ny fitokan-monina nomerika. Nanamarika ny MNDPT fa ankoatra ny fizaràna “internet” maimaimpoana, dia nisy ny fampahafantarana, fampiofanana, fanentanana fa indrindra fizaràna traikefa eo amin’ny sehatry ny nomerika, ny fampianarana ny fikirakirana ireo fitaovana ara-teknolojia vaovao sy ny lalàna mifehy izany izay nifampizarana ka nipaka mivantana tamin’ireo mpiray tanindrazana manerana ny Nosy. Mpisitraka Arivo no nokendrena, avo telo heny ny tontosa tamin’ity hetsika ity izay inoana fa tsy hijanona fa hitohy hatrany. Ho ezahin’ny Ministera ny hametraka izao hetsika izao haharitra satria tena ilaina ary namaly tanteraka ny filan'ireo olona eny amin'ny faritra sy manerana ny Nosy, hoy ny MNDPT.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT