TETIANDROM-PANADINANA

Ho fantatra aorian'ny filan-kevitry ny Ministra


  • Talata 20 Janoary 2026

Niteraka resabe teny anivon'ny

tambajotran-tserasera Facebook andro vitsivitsy lasa izay ny fihemoran'ny tetiandrom-panadinam-panjakana amin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Nitondra fanazavana mifandraika amin'izany ny tale misahana ny fanadinana eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena omaly Alatsinainy 19 Janoary ka nambarany tamin'izany fa ho fantatra aorian'ny filan-kevitry ny Ministra hotanterahina rahampitso Alarobia 21 Janoary izany tetiandrom-panadinana izany. Efa nisy raha ny nambarany hatrany ny fihaonana teo amin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministeran'ny Fampianarana teknika ary ny Ministeran'ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika nentina nandinihina izany. Amin'ny ankapobeny moa dia mifarana alohan'ny fankalazana ny Fetim-pirenena 26 Jona hatrany taom-pianarana isan-taona ho an'ireo mpianatra eny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra manerana ny Nosy ary vita sy tontosa mialohan'izany ny fanadinam-panjakana CEPE. Volana Jolay kosa anefa vao hotontosaina ny fanadinam-panjakana CEPE izany hoe : ny datin'ny 21 Jolay raha ny datin'ny 27 ka hatramin'ny 30 Jolay ny BEPC ho an'ilay tetiandrom-panadinana nivoaka teo aloha. Ny 17 ka hatramin'ny 27 Aogositra kosa vao hotontosaina ny fanadinam-panjakana Bakalorea.
Pati
Légende : Miandry izay fivoahan'ny tetiandrom-panadinana avokoa ny ankamaroan'ny mpianatra sy ny Ray aman-dReny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT