Fampianarana

Telo volana fahatelo Vita amin’ny volana jona ny fandaharam-pianarana rehetra


  • Talata 10 Aprily 2018

Miomana fatratra amin’ny fiatrehana ny telo volana fahatelo ny sekoly rehetra manerana ny Nosy ankehitriny.

Efa saika tapitra niditra nianatra omaly avokoa mantsy ny rehetra taorian’ny fialantsasatry ny Paska lasa teo ka ho an’ireo sekoly tsy miankina sasany nanaovanay fanadihadiana dia ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana no tena tohanany mafy. Ho an’ny sekoly La Prime etsy Anosibe ohatra raha araka ny  fanazavan’ny talen-tsekoly Solonandriana Lanto dia nampidirina tamin’ny 6 ora maraina ireo mpianatra ao amin’ny taona fahasivy sy faha-12 nanomboka omaly.  Ora iray ihany izy ireo no miala sasatra kely raha amin’ny 5 ora hariva vao mirava isan’andro. Miatrika sy mamolaka sahady ireo karazana laza adina an’ny sekoly mety hitranga any amin’ny fanadinam-panjakana izy ireo amin’izany. Arahina fanitsiana avy hatrany ny asa natao aorian’izany raha mbola hampanarahina devoara any an-trano ihany koa ny mpianatra isanisany. Nomarihin’ity talen-tsekoly iray ity moa ho an’ireo kilasy rehetra ao amin’ny sekoly La Prime fa tsy maintsy vita amin’ny volana jona avokoa ny fandaharam-pianarana rehetra. Avy hatrany dia miroso amin’ny famerenana izy ireo manomboka ny volana jolay ka tsy hifarana izany raha tsy ny andron’ny zoma mialoha ny fanadinam-panjakana BEPC sy Bakalôrea mihitsy ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana.

 

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT