Fampianarana

Tekinolojia sy fivoarana Etsy amin’ny Novotel Ivandry no fotoana


  • Zoma 29 Jolay 2022

Etsy amin’ny Novotel Ivandry no fotoana raha te hahalala ny tsara ho fantatra rehetra momba ny tekinolojia sy fivoarana.

Ho tontosaina anio eny an-toerana ny hetsika antsoina hoe “Salon du digital et de l’innovation”, izany hoe, ny fampiratiana goavana momba izay tekinolojia dizitaly sy ny fivoarana entin’izany rehetra izany izay. Hisy ao anatin’izany ny famelabelaran-kevitra entin’ny avy eo anivon’ny IT University amin’ny alalan’ny tomponandraikitra eo anivon’ity oniversite misehatra amin’ny tontolon’ny informatika ity, Vahatriniaina Rakotomalala. Hitondra ny anjarany koa anefa ry zareo eo anivon’ny MVola amin’ny alalan’ny tale misahana ny atao hoe Big Data Analytics sy Credit risk ao amin’ny MVola. Ho velabelarin’izy mirahalahy ao anatin’izany moa ny lohahevitra tsotra nefa tena mbola zara raha misy mahalala sy mahafehy mitondra ny lohateny hoe “Big data & Machine Learning”, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT