Fampianarana

Taranja Anglisy eny amin’ny Lisea Hiova ny fandaharam-pianarana


  • Alarobia 09 Aogositra 2017

Ho fidirana mian-dalana mankany amin’ny drafi-panabeazana vaovao (PSE) dia hiova tanteraka ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja Anglisy manomboka amin’ny taom-pianarana vaovao ho avy io.

 

 Ireo mpianatra eny anivon’ny lisea no tena voakasik’izany. Raha araka ny fantatra mantsy dia fandaharam-pianarana efa tamin’ny taona 1996 no mbola hampiasaintsika hatramin’izao ho an’ity taranja iray ity. Omaly no nampahafantarana tamim-pomba ôfisialy ny boky mirakitra io fandaharam-pianarana vaovao io tetsy amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena etsy Anosy, niarahana niasa tamin’ny tamin’ireo mpampianatra eny ifotony avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ary ireo mpampianatra mpilatsaka an-tsitra-po avy ao amin’ny “Corps de la paix”. Ny mba hamporisihina ireo ankizy mpianatra hahay sy hahafehy ny teny Anglisy sy fiseraserana amin’ny alalan’io tenim-pirenena vahiny iray io aorian’ny fahavitan’ny fianarany eny anivon’ny lisea no tena tanjona amin’izany na koa hahafahany mitady asa avy hatrany ho an’ireo tsy afaka manohy ny fianarany intsony. Narahina fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina izany noho ny ezaka nataon’izy ireo niaraka tamin’ny Ministera.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT