Fampianarana

Taranja Anglisy any an-tsekoly Tsy tokony hasiana safidy izany


  • Talata 20 Aogositra 2019

Zava-dehibe loatra ny fahaizana teny vahiny amin’izao fotoana izao ary saika miankina amin’ny fifehezana izany ny fahazoana asa.

 Raha ny taranja Anglisy manokana dia tsy azo tsinontsinoavina intsony ary tsy tokony hasiana safidy fa tsy maintsy hataon’ny mpianatra araka ny nambaran’ny depiote lany tao Andramasina, Andriamanjato Liantsoa Bina. Tsy hita taratra ao amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) izany ary efa nosafosafoina fotsiny ny sehatra fanabeazana araka ny tatitra nataony. Ankoatra izay, nanambara ity solombavam-bahoaka ity fa mbola olana hatrany ny fandriampahalemana sy ny fahasalamana, indrindra ny fananan-tany any amin’ity distrika ity. Mitarazoka tanteraka ny olan’ny fananan-tany ary ireo manambola hatrany no tafavoaka amin’ny fikarakarana  ny taratasy.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT