Taom-pianarana vaovao 2024-2025

In’efatra hisy fiatoana ny mpianatra


  • Alakamisy 05 Septambra 2024

In’efatra hisy fiatoana kely ny mpianatra amin’ity taom-pianarana vaovao 2024-2025 ity

raha ny tetiandrom-pampianarana navoakan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena,araka ny . Raha amin’ny datin’ny 09 Septambra ka hatramin’ny 25 Oktobra ho avy izao ny roa volana voalohany hisantarana izany dia ny 26 Oktobra ka hatramin’ny 03 Novambra kosa no hiditra ao anatin’ny fialan-tsasatry ny Toussaint na ny fetin’ny olo-masina ny mpianatra. Ny 04 Novambra ka hatramin’ny 20 Desambra kosa no hanatanterahana ny roa volana faharoa raha hanomboka ny datin’ny 21 Desambra ny fialan-tsasatry ny Noely, hifarana 05 Janoary 2025. Ny 06 Janoary ka hatramin’ny 26 Febroary indray no hanomboka ny roa volana fahatelo ka hisy ny fiatoana kely ny 22 Febroary ka hatramin’ny 02 Martsa hankalazana ny fetin’ny Paska. Hisy ihany koa ny fanamarihana ny andron’ny sekoly ny datin’ny 19, 20 ary 21 Febroary. Hanomboka indray ny roa volana fahaefatra ny datin’ny 03 Martsa ka hatramin’ny 11 Aprily. Hisy fialan-tsasatra indray ny datin’ny 12 Aprily ka hatramin’ny 27 Aprily. Hanomboka ny 28 Aprily hatramin’ny 20 May kosa ny roa volana fahadimy farany raha ny 21 Jona taona 2025 no hiditra amin’ny fialan-tsasatra lehibe tanteraka ny mpianatra rehetra.
Pati
Legende : Amin'ny volana Jona taona 2025 indray vao hifarana ny hazakazaky ny mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT