TAOM-PIANARANA 2024-2025

Mbola betsaka ireo mpianatra tsy ampy fitaovana


  • Alarobia 04 Septambra 2024

Niditra nanomboka afak’omaly Alatsinainy 02 septambra ny ankamaroan’ny mpianatra.

Amin’ny ankapobeny dia daty efa voatondro tsy maintsy narahin’ny Ray aman-dReny fotsiny izy io fa raha ny fiomanana kosa dia tena mbola tsy ampy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina talen-tsekoly iray mantsy dia vao ny 5%-n’ny mpianatra isan-kilasy no nahafeno ny fepetra raha betsaka. Raha kahie miisa 20 ohatra no takiana amin’ny mpianatra iray dia vao 10 monja no tonga antony hanemorana ny fangoronana ny fitaovam-pianarana hatramin’ny faha-15-n’ny volana Septambra ho avy izao. Sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dReny. Izay no antony mahatonga izany. Angonina tsirairay isan’andro ny kahie-n’ny mpianatra noho ny fanenjehana ny hanin-kohanina isan’andro. Toraka izany koa ny penina sy ny kapakely hanaovan’ny ankizy….Hatreto moa dia tsy mbola tena hita taratra mihitsy izay fanampiana entin’ny Fanjakana hanohanana ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra. Toa resaka fotsiny no betsaka mba tsy ilazana hoe : fampandriana adrisa. Mbola miady amin’ny fiainana isan’andro ihany Ramalagasy nefa tsy mahafoy hijery ny zanany tsy hianatra ihany koa fa miezaka na dia hanangonana kahie iray isan’andro.
Pati 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT