TAOM-PIANARANA 2024-2025

Hanomboka ny 09 Septambra ho avy izao


  • Zoma 19 Jolay 2024

Namoaka ny tetiandro momba ny taom-pianarana vaovao 2024-2025 ny Ministeran’ny

Fanabeazam-pirenena omaly Alakamisy 18 Jolay. Fantatra tamin’izany fa handeha isaky ny 2 volana ihany ny fampianarana eto amintsika izay mitovy amin’ny teo aloha ka hanomboka ny datin’ny 09 Septambra ho avy izao izany ho an’ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Manana safidy kosa ny sekoly tsy miankina. Hisy 2 volana in-dimy araka izany mandritra io taom-pianarana vaovao 2024-2025 io. Ny 20 Jona no hifarana ny taom-pianarana noho izany ka ny datin’ny 17 Jona no hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE. Hanomboka ny datin’ny 06 Janoary ka hatramin’ny 28 Febroary ny fisoratana anarana amin’izany. Ny datin’ny 30 Jona ka hatramin’ny 03 Jolay kosa no hanatontosana ny fanadinam-panjakana BEPC ka ny 13 Janoary ka hatramin’ny 07 Martsa ny fisoratana anarana. Ny 26 ka hatramin’ny 27 Aogositra kosa ny fanadinana CAE-EP raha ny datin’ny 28 ka hatramin’ny 29 Oktobra ny fanadinana CAPEP izay natokana ho an’ny mpampianatra.
Pati
Legende : Efa manakaiky sahady indray ny fidiran’ny mpianatra indray!

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT