Taom-pianarana 2022-2023 eny Ankatso

Hofaranana ny 31 oktobra noho ny grevy


  • Talata 26 Septambra 2023

Hofaranana ny 31 oktobra izao ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo,

araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitra siantifika eo anivon’io anjerimanontolom-panjakana io. Nandritra io izany no nanambarana fa fahalalahana eo amin’ny fampianarana dia zon’ireo mpampianatra mpikaroka, saingy nisy ihany koa ny karazana fanamelohana manoloana ny ambara fa sakana sy tsindry atao amin’ireo mpampianatra te hampianatra mba ahafahany mampanao fanadinana sy fanohanana fikarohana. Nilaza ny Filankevitra siantifika fa tokony hifanaraka amin’ny tandrohasina sy fisainana amin’ny maha anjerimanontolo sy maodely amin’ny fiarahamonina ny fitondran-tenan’ireo mpampianatra. Nambara ihany koa fa zon’ny rehetra ny mifamezivezy malalaka ka handray fepetra mifandraika amin’izany ny Oniversiten’Antananarivo mba hampanajana izany. Andaniny, manamafy ny fitohizan’ny fitakiana ny mpampianatra ao anatin’ny SECES Sampana Antananarivo. Izy ireo izay efa am-bolana no nanao fitakiana, saingy lasa resaky ny moana sy ny marenina. Fitakiana iray na roa amin’ny 9 no voalaza fa voavaly. Nisy hatramin’ny fandefasana taratasy tany amin’ny Filohan’ny repoblika fony mbola teo ny filoha teo aloha, saingy tsy nisy mpiraharaha. Manamafy noho izany ireo mpampianatra andaniny, fa mitohy ny grevy, mitohy ny fikatonan’ny oniversite satria mbola tsy novaliana ny fitakiana maro izay toa lasa fanaovana sorona ny zana-bahoaka ny tsy firaharahiana izany. Efa an-taonany ny fitakiana ny ora fanampiny na “heures complémentaires”, ny “vacations” ho an’ireo mpampianatra tsy raikitra,… Mba tena manan-danja amin’ny mpitondra ankehitriny ve ny fampianarana? Mba manao ahoana raha toa ka ny any amin’ny manam-basy no misy tahaka izao hoe: an-taonany tsy aloa ny valin-katsembohana?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT