Fampianarana

Taom-pianarana 2020-2021 Oktobra hatramin’ny jolay


  • Alakamisy 15 Oktobra 2020

Raha miditra anio alakamisy 15 oktobra ireo mpampianatra eny anivon’ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy dia ny 26 Oktobra ho avy izao

 

 

 

kosa no hanomboka handia ny varavaran-tsekoly ny mpianatra rehetra manomboka any amin’ny taona voalohany ka hatrany amin’ny kilasy famaranana. Ny 30 Jolay taona 2021 no hifarana tanteraka ity taom-pianarana 2020-2021 ity raha araka ny fanazavan’ny tale misahana ny pedagojika eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, araka ny didim-panjakana laharana 21.864 natao tamin’ny 07 oktobra. Hizara telo mazava tsara ny tetiandrom-pampianarana mandritra ity taom-pianarana vaovao ity raha araka ny fanazavany. Ny voalohany hanomboka ny 26 oktobra hifarana ny 18 desambra taona 2020 ho avy izao. Ny faharoa, hosantarina amin’ny 04 janoary ary hifarana ny 02 aprily taona 2021 raha hanomboka ny 20 aprily kosa ny tetiandrom-pampianarana fahatelo sady farany hifarana ny 30 jolay taona 2021. Nomarihin’ity tale iray ity moa fa tsara sy nahafa-po ny vokatra azon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity taona 2020 ity. Ho an’ny fanadinana BEPC ohatra dia nahatratra 49,28 % ny taham-pahafaham-panadinana izany hoe : 150.000 tamin’ireo mpiadina 320.000 isa no afaka soa aman-tsara raha 31,78 % tamin’ny taon-dasa. Mialohan’io datin’ny 26 oktobra io anefa dia hisy ny famendrahana ranom-panafody ny efitranon-tsekoly rehetra arahin’ny asa fanadiovana ny manodidina.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT