Fampianarana

Taom-pianarana 2020-2021 Nivoaka ny tetiandro sy fampanatenana samihafa


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Namoaka fampahafantarana misy teboka 13 ny Minisiteran’ny Fanabeazana omaly alahady mahakasika ny fanatanterahana ny taom-pianarana 2020-2021.

 

Ny 26 oktobra-18 desambra ny telovolana voalohany ka ny 19 desambra hatramin’ny 03 janoary 2021 ny fialan-tsasatry ny noely. Ny 04 janoary-02 aprily 2021 ny telovolona faharoa, ka ny 03 aprily-11 aprily ny fialan-tsasatry ny paka. 12 aprily-30 jolay kosa ny telovolana fahatelo, ary manomboka ny 31 jolay ny fialan-tsasatra lehibe. Nohamafisina fa maimaimpoana (O ariary) ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekoly miankina amin’ny Fanjakana (EPP, CEG, Lisea) manerana ny Nosy. Sekoly 28500 hizarana fitaovana enti-manasa tànana miaraka amin’ny savony roa baoritra, tsy maintsy manao arovava,… Hisy ny famatsiam-bola eny anivon’ny EPP sy CEG manerana ny Nosy ho fampandehanan-draharaha, ary “caisse de soutien” kosa ho an’ny Lisea. Nomena toromarika ny mpitantana ny sekoly mba hamerina ny latsakembok’ireo Ray aman-dReny efa nanefa izany ho amin’ny FEFFI mba tsy hisian’ny tombo sy hala. Ny tetibola avy amin’ny fanjakana no nambara fa hiantoka ny fanampiana ho an’ireo sekoly ireo. Hisy ny fizarana boky fianarana, rakibolana ho an’ny mpianatra, aron’akanjo sy kapa ho an’ny ambaratonga voalohany,…. Ahitana kitapo iray, kahie maromaro ny kits scolaires. Mpampianatra 100 000 hahazo “tablette” sy fampiofanana. mpampianatra FRAM karamain’ny ray aman-dreny na FRAM NON SUB maherin’ny 56 000 no hisitraka fanampiana manokana avy amin’ny Minisitera sy ny mpiara miombon’antoka aminy amin’izao fidirana izao, hoy ny fampahafantarana. Andrasana ny fizotrana, fa mbola maro ny mpampianatra sy Ray aman-dReny no miroaroa saina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT