Fampianarana

Taom-pianarana 2019-2020 Hanomboka amin’ny 28 oktobra


  • Talata 27 Aogositra 2019

Efa saika tafiditra ao anatin’ny fialantsasatra lehibe avokoa ireo mpianatra manerana ny Nosy ankehitriny ankoatra ireo mbola hiatrika ny fanadinana ara-panjakana.

 

 

 Mbola baraingo anefa ho an’ny ray aman-dreny hatreto ny hamantatra izay tena hisokafan’ny taom-pianarana vaovao manaraka marina noho ny resabe ateraky ny PSE ( Plan Sectoriel de l’Education). Nitondra fanazavana mahakasika izany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa Rtoa Volahaingo Marie Therese. Nambarany  fa hanomboka amin’ny 28 oktobra ho avy izao ny taom-pianarana vaovao 2019-2020, hahafahan’ny ray aman-dreny miomana. Hizara telovolana telo ny tetiandrom-pampianarana. Efa saika misokatra avokoa, araka izany, ny fanavaozana ny fisoratana anarana sy ny fitsapam-pahaizana ho an’ireo mpianatra vaovao vao hiditra, eny anivon’ireo sekoly tsy miankina amin’ny ankapobeny. Mikasika ny fanadinana CEPE manokana dia fantatra fa amin’ny volana jona  taona 2020 no kasaina hotanterahina raha tsy misy ny sampona.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT