Fampianarana

Taom-pianarana 2018-2019 Lava loatra, reraka ny mpianatra


  • Zoma 12 Jolay 2019

Tena misy fiantraikany amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny mpianatra ny halavan’ny taom-pianarana tamin’ity taona 2019 ity.

 

 

Mahatratra 11 volana amin’ny 12 volana mantsy izany raha migadona ny faran’ny volana aogositra. Ny 1/3-n’ny mpianatra isan-kilasy sisa vokatr’izany  no tonga mamonjy ny sekoly  raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny lisea La Prime Anosibe. Misy amin’ireo mpianatra no miala avy hatrany ary tsy mipoitra intsony, hoy ny talen’ny sekoly Lanto Solonandriana raha misy ihany koa ireo tsy manana fahafahana ny handoa saram-pianarana intsony ka aleo milentika avy hatrany. Amin’ny ankapobeny anefa dia mbola amin’ny volana aogositra vao manatanteraka ny fanadinana fifindran-kilasy ny sekoly tsy miankina ary mifarana mihitsy io volana io vao miditra amin’ny vakansy lehibe. Nomarihin’ity talen-tsekoly iray ity fa tsy mampaninona ireo ray aman-dreny sasany izany noho ny mbola fisian’ireo sekoly mandray mpianatra vaovao tsy  mila biletà. Ho azy ireo kosa dia tsy azo ekena velively izany entina hanatsarana ny fahaizan’ny mpianatra. Mikasika izay fampianarana izay ihany moa dia misy amin’ireo sekoly tsy miankina no nilaza ny tsy hampianatra anio zoma noho ny fisian’ilay lalao baolina kitra nifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea sy ny Tonizia halina.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT