Fampianarana

Tanora manampahaizana Malagasy


  • Alakamisy 06 Jona 2019

“Tsy misy sehatra isokafany.” Tontosa tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ny talata teo ny hetsika Pro Akademie 2019, izay fampihaonana ireo olona manana fahafahana mamatsy vola sy manana tetikasa.

  Ry zareo avy eo anivon’ny fikambanan’ny avara-pianarana Kristianina Advantista na ACAU no tompon’antoka tamin’izy ity. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Andriniaina Tantely Olivier, tanora miisa 7 hatreto no sahy nampiranty ny tetikasany ka izay fikarohana hita fa mendrika dia hampian’ny fikambanana amin’ny fitadiavana mpamatsy vola. Ny olana eto amintsika, hoy ny Dr Joel Raveloharimisa, izay nanome fiofanana ho an’ireo tanora, dia manampahaizana ny tanora Malagasy na dia tsy voatery nandalo ambaratonga ambony aza, saingy tsy misy sehatra isokafany. Anton’ny  andalovako eto Madagasikara ny hampiofana ny fomba ahitan’ny tanora manana tetikasa ivelomana famatsiam-bola sy ny paikady amin’izany satria samihafa ny fomba fandresen-dahatra mpamatsy frantsay na anglisy na espaniola, hoy izy. Ezahana hisy isaky ny 2 taona moa ity hetsika ity.

 
J. Mirija
 

 
 
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT