Fampianarana

Tanora Malagasy Sahirana amin’ny fitadiavana lalam-piofanana sy asa


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Ny 13, 14, 15 novambra izao no hotontosaina etsy Antaninarenina ny andiany voalohany amin’ny hetsika “Salon de l’étudiant et de l’emploi” izay hifarimbonan’ny minisiteran’ny

 

fampianarana ambony amin’ny alalan’ny MCU na Maison de la communication des universités sy ny orinasa Telma, raha ny fampahafantarana natao tetsy amin’ny MCU Analakely omaly. Antony, hoy ny tale jeneralin’ny MCU, Fanjarivo Pascaline, dia mba tsy ho very fotoana ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny amin’ny fifidianana lalam-piofanana aorian’ny Bakalorea. Fahasahiranana ho an’ireo mpianatra sy tanora indrindra izay tsy fahitana ny lalan-kizorana izay. Ho an’ny resaka fitadiavana asa kosa dia hisy ny famelabelaran-kevitra isan-tolakandro atolotry ny orinasa Telma ho an’izay rehetra mila izany ao amin’ny Tahala rarihasina Analakely amin’ireo fotoana ireo, hoy ny tomponandraikitra, Claudia Ravelonjato. Na eo amin’ny lafiny fanaovana CV na ny fiatrehana tafa na « entretien » ary hisy koa fijoroana vavolombelona isan-karazany, hoy izy. Miisa 35 moa ireo tranoheva mandray anjara ary 8000 kosa ireo mpitsidika andrasana.

J. Mirija/ Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT