Fampianarana

Tanin’ny oniversite “Saika lasan’ny olon-tsotra mpanao an-keriny”


  • Talata 14 Desambra 2021

Isan’ny olana sedrain’ny anjerimanontolom-panjakana amin’izao fotoana izao ny momba ny tanin’ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana,

raha ny nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, Prof Sammy Gregoire Ravelonirina. Miraviravy tanana, hoy izy, ny fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny ary ambaranay fa dia manome laka ny tany tsy tan-dalana sy matahotra ireo fanetribem-pirenena maka ny tsy azy sy maka an-keriny ny tanim-panjakana sy ny tanin’ny oniversite ary tanin’ny foibem-pikarohana. Ireo no atahoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Jereo ny tranga eny Ankatso II, Toliara, Nosy be Hell ville sy ny maro hafa tsy voatanisa. Saika lasan’ny olon-tsotra mpanao an-keriny daholo ny tany. Na ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny fanajariana ny tany ao amin’ny minisitera, na ny governemanta na ny fitondram-panjakana ambony, hoy hatrany ny tenany, dia manao be marinisa sy mikipy fotsiny amin’izao fa tsy mijery sy mandray andraikitra ka ho entina aiza ary ity firenena ity raha gaboraraka sy fahalovana ary tsy fandraisana andraikitra no hitantanana azy ?
\J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT