36,91% ny taha-pahafahana ho an’ny fanadinana BEPC 2019 teto amin’ny Cisco Antananarivo renivohitra raha toa ka 48,81% tamin’ny herintaona.
Tena niha ratsy arak’izany ny vokatra , izay azo hitarafana ny vokatra manerana ny nosy .Ny tany amin’ny faritra SAVA dia nanambara ny talem-paritry ny fampianarana fa foanana sy tsy azo ekena intsony ny kilasy nantsoina hoe « 2nd Special ».Izany hoe izay ankizy tsy afaka BEPC dia mamerin-taona ao amin’ny kilas faha 3 fa tsy asondrotra; nampioron-koditra ny nandre tany amin’ity faritra ity fa tsy nisy afa-tsy ny 11% ny mpiadina no afaka BEPC tao Sambava.Antony maro no mety mahatonga izao faharatsian’ny voka-panadinana BEPC izao : eo aloha ilay fahalavan’ny taom-pianarana, efa ho 11 volana izay tena nampikaikaika ny mpianatra satria reraka izy ireo ; nahatsapa tsara izany koa ny mpampiantra sy ny ray amandrenin’ny mpianatra.Eo ihany koa ny fiovaovana tany anay fandaharam-pianarana, fa eo koa ny mety tsy fahampian’ny fanaraha-maso hany ka manao izay saim-pantany ireo mpianatra misy tena variana amin’ny rendrarendra sy ny zavatra mbola mamoa-doza kokoa aza toa ny fidorohana zavamahadomelina sy ny firosoana amin’ny firaisana ara-nofo.Mazava ho azy fa tsy maintsy tafiditra ao ihany koa ny vokatry ny tsy fahatomombanana tany amin’ireo kilasy tany aloha.Rehefa nanontaniana ireo mpanala BEPC dia tena mampanahy be ny valiteny satriaa lazain’ny ankamaroan’izy ireo fa sarotra ny taranja Malagasy, Frantsay, Matematika, Fizika..na ny haisoratra izany na ny siantifika dia samy manahirana ny mpianatra Malagasy, ka tsy atao mahagaga raha ratsy ny naoty dia io voka-pifidianana miha ratsy io.Mila ezaka sy fanarenana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara na paikady io, na fomba fiasa, na fandaharam-pianarana fa na ho feno efitrano fianarana aza isam-pokontany rehetra tsy matotra ny programa sy ny fomba hampitana azy dia zava-poana..tsy ny trano no inona fa ny olona ao anatiny.Tsy misy firenena miha mandroso izany raha toa ka miha bado ny vahoaka ao aminy…ary tsy tokony atao entam-barotra hitadiavam-bola fotsiny ny fanabeazana sy fampianarana fa sehatra iray tokony ho matotra sy faran’izay voaara-maso indrindra eto amin’ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.