Fampianarana

Tambin-karama tsy voaloa Ny BEPC tsy vita, efa olana sahady ny fitsarana


  • Alarobia 06 Jolay 2022

Olana tsy mety voavaha ny tsy fandoavan’ny Fitondram-panjakana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpitsara fanadinam-panjakana eto amintsika.

Nanapa-kevitra tsy mbola hitsara ny laza adina BEPC, ka nanao fanairana mikasika ny « vacations» na ny tambin’ny fitsarana fanadinana ireo mpampianatra miandraikitra izany tetsy amin’ny LMA (Lisea Maoderna Ampefiloha) omaly. Raha ny tokony ho izy anefa vao vita ny fanadinana dia mandeha ny fitsarana. Milaza mantsy izy ireo fa 2 taona misesy izay tsy azo ny volan’ireto mpampianatra ireto, ary ho feno telo taona raha miampy ny amin’ity. Ny fampanantenan’ny minisitra tamin’ny solombavambahoaka dia hoe: efa tonga any ny vola. Aty amin’ny DREN (Direction Régionale de l’Education Nationale) dia milaza fa ny Tahirimbolam-panjakana no sakana. Mangataka ny hamoahana izany izahay, hoy ireo mpampianatra. Manome fotoana hatramin’ny rahampitso alakamisy noho izany ireo mpitsara fanadinana. Ny taranja Malagasy, matematika, SVT no tokony ho notsaraina omaly, saingy tsy nanaiky hanao ny asany aloha ireo mpampianatra. Hanampy azy ireo avy hatrany ireo mpampianatra amin’ny taranja hafa efa vita ny fanadinana. Nasaina nivoaka ny efitrano moa ireo mpampianatra tetsy Ampefiloha omaly noho ny fandavan’izy ireo tsy hitsara fanadinana. Ny eo anivon’ny Minisitera kosa maneho fa tanteraka soamantsara ny vary mangatsiaka tsy voaloa. Raha mbola misy ny tsy fahatomombanana dia hijery ny vahaolana haingana ny tompon’andraikitra ara-panabeazana isam-paritra. F’angaha moa tsy efa voafaritra any amin’ny tetibolam-panjakana sy ny tetibolan’ny minisitera ny tambin-karama sy karama no hiandrasana grevy lava vao havoaka.Ary ny tena mahagaga dia efa fantatra fa tsy maintsy hisy ny fanadinana Bepc, efa fantatra mialoha be ny daty ka inona foana no antony tsy handaminana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra mpitsara ?
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT