TALATAMATY

Nentina am-bavaka ireo mpanala fanadinana


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Nentina am-bavaka avokoa omaly Alarobia 12 Jona ireo mpanala fanadinam-panjakana rehetra ao anatin’ny

kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Voakasik’izany ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, BEPC ary Bakalorea. Tao amin’ny Ekar Imerinafovoany no nanatanterahana izany rehetra izany notarihin’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny Fitondrana am-bavaka ny firenena izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona. Nosokafana omaly tamim-pimba ofisialy mantsy izany fanamarihana ny fetim-pirenena izany ho an’ity kaominina ity ka ny tanjona dia ny mba hahafahana mametraka ny zavatra rehetra hotontosaina eo am-pelatanan’Andriamanitra. Nomarihin’ny Ben’ny tanana moa fa hetsika efa fanaon’ny kaominina tantanany isan-taona izao izay hitohy avy hatrany amin’ireo karazana hetsika ara-tsosialy maro samihafa toy ny fijerena ireo olona sahirana sy ny zokiolona. Ny fanampiana ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE…
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ireo kilonga madinika nanatrika ny fotoam-pivavahana omaly !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT