Taham-pahafahana

Bakalorea Toliara Nidina 39,21%, fa


  • Talata 25 Aogositra 2026

nihatsara ny fahadiovan'ny fanadinana

Nidina ny taham-phafahana bakalorea ho an'ny Faritanin'i Toliara tamin'ity taona ity izay 39,21 %, ambany indrindra hatramin’ny 2019. Raha ampitahaina dia 43,14 % ny 2025, 66,04 % ny 2023 ary 63,01 % ny 2024. Ny fironana mandritra ny valo taona dia miovaova be: 47,42 % (2019), 56 % (2020), 55 % (2021), 49,72 % (2022), 66,04 % (2023), 63,01 % (2024), 43,14 % (2025) ary 39,21 % amin’ity taona ity. Raha jerena, toa fihenana ny isa, saingy ny tena zava-dehibe dia ny fahamarinan’ny fanadinana nasionaly izay ezahina ny hamerenana eo ambany mariky ny fifehezana, fanaraha-maso ary mangarahara. Taorian’ny olana niseho tamin’ny 2023 sy 2024, izay nisy fiparitahan’ny taratasy sy hosoka, dia nampihatra ny rafitra “Bac Malio” sy “Bacc Malio 2.0” ny Oniversiten’i Toliara. Tamin’ny 2026, niara-niasa akaiky tamin’ny BIANCO izy ireo, ary nampiditra ny mpitantana rehetra: ny oniversite, ny Fiadidian'ny fanadinana nasionaly, ny ofisin'ny bakalorea, ny lehiben’ny foibe ary ny mpitandro filaminana. Natao mazava ny fepetra: fitaterana ny taratasy miaraka amin’ny zandarimariam-pirenena, fanamafisana ny fitombokase, fanaraha-maso ny fidirana, fanamarinana ny lisitry ny mpanara-maso, fihodinana sy fanoloana azy ireo, fanajana ny "anonymat" amin’ny kopia ary fanamarinana ny fifanarahan’ny fitanana an-tsoratra. Ny tanjona dia ny hahatonga ny hosoka ho sarotra atao ary mora fantarina. Na izany aza, mbola nisy lesoka tamin’ny 2026: nivoaka tao amin’ny tambajotra sosialy ny vokatra ora vitsy talohan’ny fanambarana ofisialy. Nampahatsiahivin’ny manam-pahefana fa ny vokatra ofisialy ihany no manan-kery, ary napetraka ny fitoriana mba hanadihadiana ny loharano sy ny andraikitra. Midika izany fa mbola misy lafiny iray mila hamafisina: ny fiarovana ny angon-drakitra hatramin’ny fotoana hamoahana azy. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ny fomba hanatsarana ny kalitaon’ny fianarana sy ny fanomanana ny mpianatra ao amin’ny lisea, mba hahafahan’izy ireo mandresy amin’ny fepetra hentitra mitovy. Ny tanjona dia tsy ny hitazona tahan’ny fahombiazana ambany, fa ny hampiakatra azy tsikelikely, nefa tsy manalefaka ny fahamarinan’ny fanadinana. Ho voamarika ny taha ambany 39,21 % ho an'ny 2026, saingy ny tena zava-dehibe dia ny fanamafisana ny fifehezana sy ny fahatokisana, ka manaporofo ny oniversiten'i Toliara fa tsy ny isa no tanjona, fa ny fahamarinan’ny vokatra sy ny fanatsarana hatrany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT