ST MEETFP

“Tsy mitsahatra mitotongana ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa”


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Nanao antsoavo ho an’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara sy ny praiminisitra lehiben‘ny governemanta

mikasika ny fisafidianana ireo ho minisitra misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny sendikan’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny asa sy fampianarana tekinika ary fampiofanana ara-kasa, araka ny fampitam-baovaon’ny sekretera jeneraly nasionaliny, Rakotoarison Claude Marie, omaly. Tsy mitsahatra mitotongana, hoy izy ireo, ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa nandritra ny taona maro nisiany. Ho fanamafisana ny antsoavo nataon’ny fikambanan’ny firaisamonim-pirenena miasa amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny sendikàn’ny mpiasa eto anivon’ny ministeran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa na ST MEETFP dia mitaky, manamafy ary mametraka ireto fepetra ireto amin’ny fanendrena ireo ho tomponandraikitra rehetra hitantana ny minisitera. Ny fanomezan-danja ny traikefa sy fahaiza-manaon’ny olona ho tendrena hitantana amin’ny fitantanan-draharaha rehetra eto anivon’ny minisitera toy ny minisitra, faritra, lisea sy CFP, mahalala sy manana vina entina hampandroso ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ary ny takelaka na «chapitre» 083; manaja ny maha-olona. Olona tsy hitsapatsapa, afaka hidina ifotony sy hamaha ny olan’ny mpanabe sy ny mpampiofana amin’ireo sekoly miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Olona tsy hitondra mpiasa avy any ivelany tsy mpiasam-panjakana ho entina hanilihana ireo mpiasa raikitra eo anivon’ny ministera sy ny fitaleavana hanendrena azy. Lazaina hatrany fa ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa no kitro ifaharan’ny fampandrosoana ny firenena. Hoy ny fahendrena betsileo hoe ny vola taratasy, ny omby dia hena, ny tanimbary dia fotaka fa ny olona no harena. Raha mifantoka, mifototra, mipaka amin’ny olona ny fanapahan-kevitra raisin’ireo tomponandraikitra dia handroso I Madagasikara. Mitaky ihany koa ny hitazonana ho minisitera ary ny hanakambanana ho iray ny ministeran’ ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ary ny fampananan’asa ny sendika, hoy hatrany ity fanambarana ity.
J. Mirija
Sary fanehoana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT