Fampianarana

Sendikan’ny mpampianatra malagasy Manohana ny hetsika ataon’ny depiote


  • Alarobia 02 Mey 2018

« Hanova ny tantara ny SEMPAMA mba tsy iharany intsony ». Teny efa nolazain’ny SEMPAMA io, roa taona lasa izay ary mbola entiny hanohanana ny hetsika ataon’ny solombavambahoaka manoloana izao olana ara-politika misy eto Madagasikara izao.

 Misy mpampianatra maro ao anatin’ny tolona atao, hoy ny solontenan’izy ireo ka inoana sy antenaina fa mba hisy fiantraikany amin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina mianjady amin’ny mpampianatra rehetra eto amin’ny firenena. Araka izany dia hiezaka handray an-tanana ny ho aviny ny fikambanan’ny mpampianatra mivondrona ao ami’ny SEMPAMA. Iaraha-mahalala fa ny mpampianatra mpanabe no maro an’isa indrindra amin’ny mpiasa manerana an’i Madagasikara. Ankoatr’izay dia miombina amin’ny sendika rehetra izy ireo amin’ny fitakiana ny karama mendrika sy sahaza. Nanome toky ireto farany fa  hiezaka ny hanatsara ny vokatry ny fampianarana izay nikorosy fahana tanteraka nandritra ny folo taona farany. Eo ihany koa ny fampitomboana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra tsirairay mba hampandroso ny kalitaon’ny fampianarana, indrindra ny any ambanivohitra. Tsy tokony hiandrasana an’iza sy iza ity sehatra fampianarana ity fa antoky ny ho avin’i Madagasikara ka tsara raha mandray ny andraikitra tandrify azy ny tsirairay.

Tsiry

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT