Tsy nitsitsy fitenenana ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra
Malagasy raha nanao fanambarana tetsy Mahamasina omaly fa tandindomin-doza ny firenena satria kasaina ho vonoina indray ny tanora sy ny zaza Malagasy. Mikaikaika noho ny fahasahiranana ny olon-drehetra ary manginy fotsiny ny fitaintainana manoloana ny raharaham-pirenena. Mahatsapa ny rehetra fa tsy mahasahana ity valanaretina ity ny fitondram-panjakana. Tsy mahatsapa ny fisian’ny fanjakana tan-dalana intsony ny olona fa ny fanapara-pahefana ataona olom-boafidy sy voatendry no tena iainana ankehitriny. Iainan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana tekinika ary fanofanana ara-kasa izany. Tsy vitan’ny hoe rafi-pampianarana sy fanabeazana tsy mifanaraka amin’ny filan’ny firenena no niainana teto 60 taona ka naha latsaka an-davaka ity firenena ity fa mbola atao ihany koa amin’izao fotoana izay hahafaty azy tanteraka. Vokany dia marary mafy ny minisitera ary mijininika ny ra, izany hoe, tratry ny “hémorragie”. Tsy ny hampijanona izany ra izany anefa no ataon’ny mpitondra fa toa vao mainka ny hampandeha azy. Porofo dia in-5 nisolo ny minisitry ny MENETP. Tsy azo ekena satria atao andrakandrana toy izany foana ve ny ho avin’ny zana-bahoaka? Eo koa ny fikirizana hampanala fanadinana ny zaza sy ny tanora amin’izao fotoana izao. Omeo anay malaky sy haingana ny fitantanana ny minisitera izay iankinan’ny ho avin’ny firenenay ity, hoy hatrany ny SEMPAMA. Manana olom-banona izahay. Minisitra hampidi-bola ho an’ny minisitera no ho entinay eo fa tsy hihinana ny volam-bahoaka. Tena vonoina, hoy izy ireo, ny taranaka Malagasy, raha naneho hevitra mikasika ny famindrana toerana ny tomponandraikitra informatika iray sy ireo mpanabe miisa 3 hafa tamin’iny omaly iny. Afaka mahita famatsiam-bola 18 tapitrisa dolara mandritry ny 5 taona ny Sempama. Efa ao izany, hoy izy ireo, fa miandry ny fahatongavanay eo amin’ny minisitera.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.