Fampianarana

SEMIPI Fianarantsoa 95,34% ny taham-pahafahana bakalorea


  • Alatsinainy 16 Novambra 2020

Tafiakatraka 95,34% ny taham-pahafahana fanadinana Bakalorea 2020 ho an'ny mpianatra tao amin'ny SEMIPI (Sekolin’ny Miaramilam-pirenena) any Fianarantsoa manana ny teny filamatra Paradisan'ny Fahaizana - Fahendrena – Fandresena.

 

 

Taham-pahafahana ankapobeny. Ho an’ny Sokajy A1, dia 100% ka ny 25% "Mention Bien" ary 25% "Mention Assez Bien". Sokajy A2: 90% ka ny 15% "Mention Bien" ary 30% "Mention Assez Bien. Sokajy C: 100% ka ny 20% "Mention Très Bien", 20% "Mention Bien" ary 40% "Mention Assez Bien". Sokajy D: 100% ka 21,42% "Mention Très Bien", 28,57% "Mention Bien" ary 28,57% "Mention Assez Bien". Niarahaba ireo afaka ny Kolonely Kaomandin'ny Sekoly, ny mpampianatra sy ny mpanabe rehetra. Isaorana indrindra Andriamanitra Andriananahary. Tolorana ny arahaba feno firarian-tsoa toraka izany koa Ireo Ray aman-dReny, ary mankahery ireo izay tsy nahomby, hoy izy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT