Fampianarana

Sekoly tsy miankina “Tsy maintsy aloa ny saram-pianarana oktobra”


  • Alarobia 25 Oktobra 2017

Namoaka fanambarana omaly ny DNELM, ivondronan’ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana eto amin’ny Faritra Analamanga,

  fa vonona ny hanaraka ny datin’ny 6 novambra, fotoana notondroin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hidiran’ny mpianatra rehetra manerana ireo fari-piadidiam-pampianarana 25 nahitana ny sorotr’aretina pesta. Efa voadinika tsara mantsy izany, hoy ny filohany, vao navoaka sy nampahafantarina ny besinimaro. Na izany aza anefa, hoy Ratsimbazafy Celestin, filohan’izy ireo dia tsy tokony hanemotra io daty io intsony ny minisitera. Efa voa mafy ny sekoly tsy miankina noho ny resabe mandeha ankehitriny momba ny saram-pianaran’ny mpianatra volana oktobra sy ny karaman’ny mpampianatra. Eo ihany koa ny hofan-trano ho an’ireo izay manofa. Nanapa-kevitra izy ireo fa tsy maintsy mandoa saram-pianarana volana oktobra avokoa ny ray aman-drenin’ny mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mandrindra hatrany ny asa fampianarana tanterahiny. Taorian’izao fanambarana nataon’ny DNELM  izao anefa dia nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina vitsivitsy mpikambana ao aminy no nanao fanambarana ihany koa fa hiverina hianatra  izy ireo manomboka rahampitso alakamisy. Nanambara kosa anefa ny minisitra Paul Rabary, taorian’ny fandrenesana izany, fa tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eny anivon’ny sekoliny ireny tsy manaiky ny fandaminana apetraky ny minisitera ireny. Misy dikany matoa ny 6 novambra vao hampidirana mianatra ny mpianatra. Andrasana ny mety ho tohin’ny fialan-tsasatry ny pesta  !

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT