Fampianarana

Sekoly tsy miankina Nisy efa nanomboka nianatra omaly


  • Talata 31 Oktobra 2017

Na dia sekoly tsy miankina vitsy teto an-drenivohitra ihany aza omaly no nanokatra ny varavarany mba handraisana mpianatra taorian’ny nanambarany fa tsy hanaraka ny fanapahan-kevitry noraisin’ny DNELM izy ireo dia roso hatrany ny diany fa tsy nihemotra.

Ho fitsinjovana ny mpianatra raha araka ny fanazavan’izy ireo no antony nandraisany izao fanapahan-kevitra izao toy ny halavan’ny fotoana tsy hianarana ka hiverenan’izy ireny tanteraka ao anatin’ny lalao indray. Eo ihany koa ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra hoy izy ireo izay efa nisahirana nandoa saram-pianarana volana Oktobra ny ankamaroany nefa  tsy nianatra akory ny mpianatra. Ho an’ireo sekoly katôlika sasany indray  izay efa nampiditra mpianatra tamin’ny heriny omaly dia mitohy hatrany ny asa sahanin’izy ireo amin’ny alalan’ny famitana ny fandaharam-pianarana an-tsakany sy an-davany. Latsaka anelanelany tanteraka ireo Ray aman-dReny noho izany. Na dia misy amin’izy ireo aza mantsy no mbola tsy te-hampianatra ny zanany noho ny aretina Pesta dia tsy maintsy mandefa rehefa ny sekoly no manapa-kevitra. Ny fisorohana ny aretina sisa no hany fepetra raisiny. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia tanindrazana ireto.

Rtoa Mihaja, Renim-pianakaviana niteraka roa : Ny ahy ny zanako lahimatoa no mpianatry ny sekoly katôlika. Efa tamin’ny herinandro izy no nianatra noho ny fepetra noraisin’ny sekoly. Fepetra noraisiko  araka izany ny famporosihina azy mba hanasa tanana foana dia tsy hividividy hani-masaka tsy azo antoka eny amoron’arabe.  Nafarko mafy ihany koa mba tsy hanafin’aretina raha sanatria ka misy marary azy.

Rtoa Fanja, Renim-pianakaviana niteraka telo : Ny anay  efa tamin’ny herinandro izy telo mianadahy no nianatra. Tsy dia hitako loatra izay fepetra noraisina enti-miady amin’ny pesta. Ny hany hafatry ny sekoly dia tsy azo alefa mianatra izy ireo raha vantany vao tsy salamalama. Na izany aza mbola tsy  nisy naninona izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT