Fampianarana

Sekoly tsy miankina Mitaky ny handoavana ny ekolazy 10 volana


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Na dia mbola ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana tanteraka aza isika ary tsy mbola fantatra izay fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana mikasika ireo

 

ankizy mpianatra noho ny hamaroan’ireo olona lasibatry ny coronavirus dia tsy miova ny an’ireo sekoly tsy miankina. Mitaky ny handoavan’ny Ray aman-dReny ny saram-pianarana folo volana tsy banga izy ireo saingy mampanantena kosa fa hovitainy ny fandaharam-pianarana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Nivory sy nikaon-doha mikasika ny fahasahiranana sedrainy izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany fa ankoatra ny karaman’ireo mpampianatra dia manana olana izy ireo amin’ny fandoavana ny hofantrano, indrindra fa ho an’ireo mbola manofa. Manao antso avo amin’ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra araka izany izy ireo mba hifanome tanana aminy. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly maromaro moa dia mbola ireo Ray aman-dRay mampiana-janaka hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ihany hatreto no nandoa saram-pianarana. Ny ankoatra izay dia mbola 0 Ar avokoa.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT