Fampianarana

Sekoly tsy miankina Misy mampadoa antsasaky ny saram-pianarana


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Efa nambara teto fa misy sekoly tsy miankina tsy nampandoa saram-pianarana volana aprily hitsinjovana ireo ray amandreny.

 

 

 

 

 

Nahazo tehaka ny talen-tsekoly. Misy koa anefa ireo mampandoa ny an-tsasany fa tsy misy handoavana ny karaman'ny mpampianatra hono. Izay tsy mahaloa dia rahonana roahina. Marihina anefa fa ireo mpianatra hanala ny fanadinam panjakana BEPC T9 sy ny Bakalorea T12 ihany no mianatra nanomboka ny alarobia 22 aprily teo. Ny hanala CEPE T5 moa dia ny alatsinainy 27 aprily ho avy izao vao hianatra. 3 andro izany dia handoavana ny antsasany. Voarara koa ny fakan-drivotra, nefa mivarotra ny ody ambavafo ilay tompon'ny sekoly dia avoakany ny mpianany mandritra ny fahefakadiny. Mila harahi-maso ihany ve izany izy ireny sekoly tsy miankina ireny. Ady amin'ny aretina tsy hita maso mantsy no atrehan'izao tontolo izao ka mila mitandrina.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT