Fampianarana

Sekoly tsy miankina Miandry izay fanapahan-kevitry ny minisitera hatrany


  • Talata 24 Oktobra 2017

Tsy hiova amin’ny baikon’ny minisiteran’ny fanabeazana azony ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto amintsika na dia nandray fanapahan-kevitra aza ny sekoly katolika fa hiverina hianatra avokoa rahampitso alarobia.

Ho an’ny sekoly tsy miankina La Prime etsy Anosibe manokana dia nambaran’ny taleny, Ramatoa Rasolondriana Lanto fa tsy sekolim-pinoana izy ireo ka tsy afaka ny hiditra ho mpikambana eo anivon’ny DIDEC velively. Noho izany, tsy maintsy miandry ny fanapahan-kevitry ny minisitera. Efa namaly ihany ny minisitra Paul Rabary tao anaty tambajotran-tserasera saingy nijanona ho an’ny  sekoly katôlika irery izany fa tsy ho an’ny rehetra, hoy izy. Nomarihiny fa na dia te-hianatra aza izy ireo dia tsy afaka ny hanao fanadinam-panjakana mitokana toy ny CEPE, ohatra, fa tsy maintsy miandry ny daty havoakan’ny minisitera hatrany. Nisy ny dinika notanterahin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ireo sekoly katolika omaly folakandro nanomezana toromarika ireto farany ny amin’izay fepetra tokony horaisiny hisorohana ny mety ho fiparitahan’ny valanaretina pesta.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT