Nanao fanambarana omaly ny teo anivon`ny DIDEC na ny foibem-pianarana katolika manoloana ny fanakatonana ny sekoly Saint Vincent de Paul etsy Ambatonilita.
Noho ity sekoly ity tsy mahavelon-tena no nahatonga ny fanakatonana, hoy i Ludovic Rabenantoandro tompon’andraikitry ny DIDEC. Nambarany fa niteraka fanakorontanana teo amin`ny fiangonana katolika izy io. Iza no ao ambadik’ity raharaha ity ?” Efa 120 taona no nisian`ny sekoly katolika St Vincent de Paul ary ny ankohonan`ny relijiozy Sacrè-Coeur no nitantana azy tany am-piandohana. Taty aoriana, dia noraisin`ny Diosezy ny fitantanana ary niezaka nanarina ny lesoka efa hita taratra tao an-tsekoly izy ireo. Tsy nitsaha-nihena anefa ireo isan`ny mpianatra ary natahorana ny fotodrafitrasa izay tsy nisy fanamboarana mihitsy. Anisan`ireo sekoly natao hianto-tena ihany koa ny sekoly St Vincent de Paul saingy tsy midika ho fitadiavam-bola izany fa famelomana ny sekoly ihany, hoy hatrany ny teo anivon`ny DIDEC. Amin`ny maha sekoly katolika azy, dia ny eveka ihany no tompon’andraikitra voalohany amin`ny fanabeazana ary fotoana izao hidirana an-tsehatra amin`ny tsy fahombiazan`ny sekoly intsony. Fantatra ihany koa mantsy fa noho ny tsy fahombiazana nisy dia lasa nanaotao foana ny mpitantana ny sekoly ary nitady vola izay tsy nahazoana alalana. Izy ireo ihany koa no manapa-kevitra ny hanaovana ny toerana fa tsy ny maintimolaly. Manaja ny rafitra an-tanatohatra ny diosezy amin`ny maha rafitra miainga amin`ny fiangonana azy. Ny sekoly katolika dia manabe ny ankizy mba hanana toetsaina hanaraka lamina saingy misy ireo minia manakorontana hatrany. “Tsy marina ny fivoizana fa hanaovana tranombarotra lehibe ny toerana ary efa nisy nikasa niditra ny tany ary ny diosezy no niaro azy ”, hoy ny DIDEC. Nieritreritra kosa izy ireo fa hametrahana foibe ho an`ny asa sosialin`ny Diosezy io toerana io ho fitsinjovana an`ireo sahirana sy mijaly, izay “vocation” napetraky ny Masindahy Vincent de Paul, tompon’andraikitra olo-masina mpiaro.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.