Fampianarana

Sekoly Nomerika CEG 8 no hahazo fitaovana avy amin’ny Orange Solidarité


  • Alarobia 07 Febroary 2018

Mitohy hatrany ny asa sosialy tanterahin’ny “Orange Solidarité” entina hanatsarana ny sehatry ny Fanabeazana eto amintsika.

 Natomboka tamim-pomba ôfisialy ny fiandohan’ny herinandro teo ilay fandaharan’asa sekoly nomerika izay tanterahin’ny fikambanana. CEG miisa valo eto amintsika no hisitraka izany ka ny dimy amin’ireo dia eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Any amin’ny Faritra Diana kosa ny telo ambiny. Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia ny CEG Antanimena, ny CEG eny Itaosy, Faliarivo Ambodiafontsy, ny Analamahitsy ary ny CEG Ankadinandriana no hisitraka izany. Ny CEG ao Nosy-be hell ville, ny CEG Anivorano avaratra ary ny CEG Dzamanjary kosa no hahazo ny tolotra ho an’ny faritra Diana. Omena fiofanana manokana amin’ny fampiasana ireo karazam-pitaovana toy ny tablette, ny video projecteur ireto ireo mpianatra  sy mpampianatra mandritra izany hahafahana manatanteraka ilay sekoly nomerika. Ao anatin’ireo  fitaovana ireo avokoa no hampitana ny fampianarana amin’ny mpianatra noho izany entina hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana. Tsiahivina moa fa hiarahana amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ity fandaharan’asa iray ity. Ho an’ny fikambanana Orange Solidarité kosa dia fantatra efa mahatratra 88 isa hatreto ireo sekoly nisitraka izany sekoly nomerika izany nanomboka ny taona 2014 no mankaty ka mpianatra manodidina ny 42.200 no efa nahazo tombontsoa tamin’izany.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT