Sekoly miankina amin’ny fanjakàna

Notokanana ny EPP manara-penitra Iavoloha


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Notokanan'ny filohan'ny repoblika, Andry Rajoelina, ny EPP

manara-penitra Iavoloha, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Efa ny taona 1956 no nisy ny EPP Iavoloha ary izao vao nahazo fotodrafitrasa vaovao tanteraka izao indray, hoy ny fanazavàna. Mahazaka mpianatra hatramin’ny 600 isa ity sekoly miankina amin’ny fanjakàna ity ary toy ireo sekoly manara-penitra manerana ny nosy dia ahitàna ireo fitaovam-pianarana ara-haitao ara-kajy mirindra toy ny "tableau interactif" sy ireo "tablettes numériques" ary eo ihany koa ireo boky fampianarana vaovao entina hanatsaràna ny fanabeazana ireo ankizy. Sekoly manara-penitra miisa 12 izay ahitàna efitrano fianarana 12 hatramin’ny 24 isa hatreto no efa notokanan’ny filoham-pirenena ary mbola misy ihany koa ireo an-dalam-panorenena. Ankoatra izay dia efitrano fianarana mahatratra 8.019 no efa naorin’ny fitondram-panjakàna manerana an’i Madagasikara hatramin’ny nitantanany ny firenena ary nahafahana nampiditra an-tsekoly mpianatra miisa 200.000 izany, raha ny fampitàm-baovao voaray avy eo anivon’ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT