Fampianarana

Sekoly La Croyance Anjanahary Nilatsaka ny sazy henjana


  • Alarobia 05 Aprily 2017

Nidina teny amin’ny sekoly tsy miankina La Croyance Anjanahary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary omaly folakandro, ka nijery ifotony ny sekoly sy ny fomba fampianarana ao.

Niresaka tamin’ny talen-tsekoly, ilay ankizy voakasi-tanana omaly tao anatin’ilay horonantsary, sy ny raiamandrenin’ny mpianatra izy nandritra izany. Taorian’izay, dia nilaza ny minisitra fa halàna ihany koa ny fahazoan-dalana mampianatra an’ilay mpampianatra. Rehefa vita ny fanadinana amin’ity taona ity dia hotsoahina ihany koa ny fahazoan-dalana fisokafan’ny lisea sy prescolaire ao amin’ny La Croyance. Ny antony dia tsizarizary ny fotodrafitrasa ianaran’ny ankizy, efitra fianarana iray no misy ary zaraina telo. Ankoatr’izay, tsy manana fomba fiasa enti-mampianatra ny sekoly ary matetika ny fikasihan-tanana mpianatra. Sarobidy ny fanabeazana ary fantatro tsara fa tsy lavorary ny eto amintsika, mbola be ny ezaka mila atao fa mila manana ny “minimum” ny sekoly te hanome fahalalana ny ankizy, na eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa na eo amin’ny lafiny fomba enti-mampianatra sy mitaiza mpianatra, hoy ity tompon’andraikitra voalohan’ny fanabeazam-pirenena ity.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT