Na dia nanao fanambarana goavana aza ny DIDEC ny faran’ny herinandro teo fa hiverina hianatra avokoa nanomboka omaly alarobia 25 oktobra ny sekoly katolika rehetra dia nisy tamin’izy ireo tokoa no nianatra.
Tao koa ireo tsy hianatra mihitsy raha tsy ny alatsinainy 6 novambra ho avy izao. Ho an’ireo sekoly katolika manodidina an’i Mahamasina toy ny College Saint Joseph, ohatra, dia nambaran’ny tompon’andraikitra iray sendra anay fa tsy manohitra ny DIDEC velively akory izy ireo saingy kosa tsy maintsy mbola manatanteraka ireo karazana fepetra notakian’ny minisiteran’ny fahasalamana taminy mba ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpianatra. Anisan’ireny ny tokony hananganana ny « Comité de vigilance » izay misy ny FRAM hanara-maso akaiky ny fahasalaman’ny mpianatra sy hametraka ireo karazana paikady hoenti-miady amin’ny aretina pesta. Toraka izany koa ny fametrahana ilay efitrano iray natokana ho an’ireo ankizy mpianatra lasibatry ny aretina sy ny fandrarahana ranom-panafody hahafahana mamono ireo bibikely maro mpitondra aretina. Ny 2 novambra ho avy izao vao hiverina an-tsekoly avokoa ireo mpianatra ao amin’ity sekoly katolika iray ity saingy mbola hanatanteraka fotoam-pivavahana ihany koa izy ireo ny 3 novambra ka ny 6 novambra ihany vao tena hiditra. Ho an’ny sekolin-dry masera Providence indray izay mbola etsy Mahamasina ihany dia ny fiandohan’ny volana novambra mihitsy izy ireo vao hiverina an-tsekoly noho ny fandaminana tsy maintsy hatao amin’ny efitranon-tsekoly rehetra. Efa nianatra kosa ireo mpianatry ny Saint Francois Xavier Antanimena omaly. Natomboka tamin’ny fihaonan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary ireo tompon’andraikitra ny teny Sainte Chantale Soanierana. Ny sekoly Maria Manjaka Andohalo kosa dia efa nianatra foana hatramin’izay. Ny sekolin-dry masera eny Ilanivato Anosipatrana koa efa nanomboka omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.