Fampianarana

Sekoly Frantsay Ny volana septambra vao hiverina an-dakilasy


  • Alarobia 20 Mey 2020

Hahemotra amin’ny volana septambra ny fiverenan’ny fampianarana ho an’ny lisea Frantsay eto Antananarivo sy Toamasina, raha ny vaovao azo.

 

 

 

 

 Tapaka tamin’ny fakan-kevitra tamin’ireo mpisehatra samihafa ao anatin’ny vondrom-panabeazana io, ka voalaza fa hanao fanambarana mahakasika izany Masoivoho Frantsay anio fa tsy hiverina ny fampianarana, raha tsy ny volana septambra. Voakasik’io ihany koa ireo sekoly ambaratonga voalohany tantanin’ny Sampan-draharaha momba ny fampianarana Frantsay ivelan’ny fireneny n any AEFE ahitana ireo sokoly Frantsay efatra dia A = Ampefiloha, B = Ampandrianomby, C = Ambohibao ary D = Ivandry fantatra amin’ny hoe "les charmilles") miampy ny rantsan’ny Collège Etienne De Flacourt sy ny Lycée d'Ambatobe. Tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-kevitra tahaka izao, fa mety ny volana septambra izany no vinavinan’ny Frantsay fa mety tsy mampatahotra firy intsony fiparitahan'ny Coronavirus eto Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT