Fampianarana

Sekoly Edenah Ambohimanarina Nanazava ny fiovan’ny fandaharam-pianarana


  • Talata 13 Jona 2017

Nanatanteraka fivoriana farany niarahana tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra teny Antanjombe Ambohimanarina ny sekoly Edenah ny faran’ny herinandro teo.

Anton’ny fivoriana ny nitondrana fanazavana tamin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra mikasika ny fiovan’ny fandaharam-pianarana kasain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hapetraka raha teo ihany koa ny fanaovana jery todika ny lasa hahafahana manatsara ny ho avy. Efa vonona amin’izany ny sekoly ka tsy misy atahorana, raha araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly. Hialohavan’izy ireo amin’ny fanofanana ny mpampianatra avy hatrany izany mandritra ity vakansy lehibe ity, eo ihany koa ny fanomezana cours maimaimpoana ny mpianatra. Marihina moa fa hanatontosa vavaka fangataham-pitahiana ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC ary Bakalorea ity sekoly  iray ity ny sabotsy ho avy izao.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT