Fampianarana

Sekoly any ambanivolo Maro ny mpianatra mbola mipetraka amin’ny tany


  • Alarobia 09 Mey 2018

Mbola betsaka amin’ireo sekoly any amin’ny toerana lavitra andriana amin’izao no tsy manana dabilio hampiasaina fa mipetraka amin’ny tany ny mpianatra.

Ireo sekolim-panjakana no tena voakasik’izany. Misy ihany koa anefa ireo manana dabilio ihany saingy efa tena antitra toy ny ao amin’ny EPP Antarandolo Fianarantsoa ka ahiana handratra ankizy. Ny ankizy anefa no ho avin’ny firenena, antony nanosika an-dRtoa Ramarosoa Philippe, talem-paritry ny Airtel any an-toerana hanampy ireo mpianatra ao amin’ity EPP iray ity.Tonga nanolotra dabilio am-polony maro niaraka tamin’ny kojakoja maro samihafa toy ny seza sy latabatra  hampiasain’ny mpampianatra izy ireo omaly, natrehin’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Fianarantsoa sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny any an-toerana. Nambaran-dRtoa Ramarosoa Philippe nandritra izany fa zon’ny ankizy ny hianatra sy hampiasa fitaovana manara-penitra noho izany mendrika izany ny mpianatra rehetra. Tanjon’ity orinasam-pifandraisana iray ity ny hanampy sy hijery ireo ankizy madinika, indrindra fa ireo sahirana ara-pivelomana.

 Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT