SEKOLY AMBONY UPRIM

Nandefa mpianatra 8 nanohy fianarana any Chine


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Betsaka ireo tanora nahavita fianarana eto amintsika no tsy mahita asa araka ny fahalalana azony akory.

Mampiraviravy tanana ny Ray aman-dReny ny fisian’ireny tranga ireny amin’ny ankapobeny noho ny hamaroan’ny vola lany sy ny fahasahiranana maro isan-tsokajiny. Noho izay antony izay indrindra no nanosika ny sekoly ambony UPRIM hanao ezaka ho fanampiana ireo mpianatra ao aminy. Mpianatra miisa 8 mianadahy ho azy ireo no nahazo vatsim-pianarana hanohy fianarana any amin’ny oniversite Xiamen any Chine. Amin’izao fiandohany izao dia mbola mianatra teny Sinoa izy ireo raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny sekoly Rakotovaoarison Haingo Nadia. Aorian’izay kosa dia hanohy ny lalam-piofanana nianarany teo anivon’ny sekoly ambony UPRIM teto Madagasikara ihany izy ireo toy ny gestion et management, ny droit et communication, ny paramedicaux izay ahitana ny fianarana ho infirmiera sy ny mpampivelona ary ny commerce et marketing. Nomarihin’ity filoha tale jeneralin’ny sekoly ity moa fa hatreto dia mbola mahatratra 20 isan-taona ireo zanaky ny sahirana hampianarana maimaim-poana ao amin’izy ireo mandrapahavitan’ny fianarany. Ho fanampiana ny vesatry ny Ray aman-dReny avokoa no anton’izany raha araka ny nambarany indrindra manoloana izao fisondrotry ny vidim-piainana andro aman’alina izao. Amin’ny volana Novambra ho avy izao izy ireo no hiditra ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 ary efa manomboka ny fisoratana anarana.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo mpianatry ny sekoly ambony UPRIM lasa nanohy fianarana any Chine !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT