Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Mpianatra 500 latsaka no niatrika “soutenance” omaly


  • Alarobia 19 Jona 2019

Mpianatra 500 latsaka no niatrika “soutenance” omaly teo anivon’ny sekoly ambony UPRIM. Mpianatra nanaraka ny fampianarana hampitain-davitra avokoa izy ireo raha ny fantatra ary havoaka ny 13 Jolay ho avy izao.

 

 

 

 Efa mpiasam-panjakana avokoa ny ankamaroan’izy ireo ka maniry ny hampitombo diplaoma mba hahafahana manatsara ny karama raisiny isam-bolana raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Haingo Nadia. Isaky ny sabotsy hariva izy ireo vao mamonjy regroupement any am-pianarana manontany ny mpampianatra ireo lesona tsy azony… raha boky kosa no vidiana isam-bolana miankina amin’ny lalam-piofanana arahina. Misy hatramin’ny fahazoana ny mari-pahaizana Master II moa ny fampianarana hampitain-davitra ho an’ny sekoly ambony UPRIM raha manomboka amin’ny taona voalohany izany. Ny lalam-piofanana gestion et management,  communication et droit,  commerce et marketing no hahafahana manao izany raha tsy maintsy hatrehina any anaty sekoly kosa ny lalam-piofanana paramédicaux.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT