Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Hiitatra hatrany Kaomoro


  • Alatsinainy 10 Jolay 2017

Tontosa soa aman-tsara ny sabotsy teo teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ny fankalazana ny fahafolo taona niorenan’ny sekoly ambony UPRIM.

Tsy  natao handalo fotsiny izany raha araka ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny Rakotovaoarison Haingo Nadia noho ireo ezaka vitan’ny sekoly hatramin’izay. Marobe ireo mpianatra efa navoaka, hoy izy, izay ahitana olona ambony mitana andraikitra eto amin’ny firenena mipariaka hatrany ivelany. Betsaka ihany koa ny zava-bita toy ny fananganana ireo UPRIM dimy any amin’ny faritra, ny complexe universitaire manara-penitra naorina etsy Andavamamba …Manaporofo izany fa matanjaka ny sekoly ambony UPRIM izay mbola ezahina hiparitaka hatrany Diégo sy Toliara ao anatin’ny folo taona ho avy raha toraka izay koa ny any amin’ny Nosy rahavavy Kaomoro. Tsiahivina moa fa nahatratra 3.000 ireo olona nasaina tamin’io fetin’ny UPRIM notanterahina ny sabotsy teo, narahina hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro samihafa. Nisy ihany koa ny fanolorana diplaoma ho ana mpianatra vitsivitsy.

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT