Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Hampianatra tenim-pirenena vahiny sy informatika


  • Alatsinainy 23 Janoary 2023

Mirotsaka feno amin’ny ady hatao amin’ny tsy fananan’asa mahazo ny tanora ihany koa ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba.

Ankoatra ny fanofanana ireo ankizy lehibe efa nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea dia hampianatra tenim-pirenena vahiny sy informatika ihany koa izy ireo manomboka. Fampianarana fohifohy saingy hahazoana mari-pankasitrahana avy hatrany ireo hatolotr’izy ireo ireo ka anisan’ireny ny teny frantsay sy anglisy ary ny informatika. Ho an’ity farany dia solosaina iray isaky ny mpianatra no hampiasaina ka iray volana monja dia vita ny fianarana, raha araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneraliny Rakotovaoarison Haingo Nadia. Maharitra 3 volana kosa ny fampianarana momba ny assistant de direction izay ahitana asa avy hatrany. Amin’ny 08 martsa ho avy izao kosa no hiditra ny andiany faharoa ho an’ireo mpianatra afa-panadinana Bakalorea raha tamin’ny volana Novambra ny andiany voalohany. Lalam-piofanana maro no handraisana azy ireo toy ny commerce et marketing, ny droit, ny communication…Mikasika ireo efa am-perin’asa moa ka mbola te-hampitombo ny diplaoma efa hananany dia fantatra fa mitohy hatrany ny fampianarana hampitain-davitra hampanaovin’ny UPRIM. Boky iray isam-bolana no vidiana amin’izany raha isaky ny Sabotsy hariva kosa no hanatanterahana ny regroupement hataon’ny mpianatra ankoatra ny fanarahana fampianarana amin’ny alalan’ilay plateforme nomerika izay efa natsangan’ny sekoly.
Pati
Legende : Rakotovaoarison Haingo Nadia, filoha tale jeneralin’ny sekoly ambony UPRIM
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT