Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Amin’ny 8 novambra ny fidirana


  • Sabotsy 04 Novambra 2017

Ny alarobia 8 novambra ho avy izao no hiditra amim-pomba ofisialy ny sekoly ambony UPRIM amin’ity taom-pianarana 2017-2018 ity.

 

 Voakasik’izany avokoa ireo karazana lalam-piofanana miisa dimy ao aminy  toy  ny gestion et management, ny commerce et marketing, ny droit, ny communication ary ny paramédicaux. Tamin’ity herinandro ity vao tonga marobe nisoratra anarana ny mpianatra, hoy Rakotovaoarison Haingo Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny UPRIM  noho ny ahiahian’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ny amin’ny  daty tena hidirana marina sy ny mety tsy hisian’ny taom-pianarana noho ny aretina pesta. Marihina fa amin’ny volana desambra ho avy izao no hivoaka ny andiany voalohany amin’ireo mpianatra niofana ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona nanaraka  ny lalam-piofanana paramédicaux eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Ny maripahaizana licence no hatolotra azy ireo ary afaka miasa avy hatrany ny mpianatra.  Efa nahazoan’ny sekoly  fankatoavana avy amin’ny fanjakana moa ny maripahaizana hatolotra sady eken’ny minisiteran’ny asa sy ny fananan’asa ihany koa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT