Fampianarana

Sekoly ambony UPRIM Amin’ny 05 novambra ny fidirana


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Toy ny sekoly ambony rehetra dia efa miomana fatratra amin’ny fandraisana ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea ihany koa amin’izao fotoana izao ny sekoly ambony UPRIM etsy Andavamamba, fepetra iray hahafahan’ireo mpianatra miditra ao aminy.

Ny 05 Novambra ho avy izao mantsy no hiditra amim-pomba ôfisialy izy ireo raha araka ny fanazavan-dRakotovaoarison Nadia, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sekoly ambony iray ity. Lalam-piofanana miisa dimy no handraisany mpianatra amin’izany dia ny gestion et management, ny commerce et marketing, ny droit, ny communication, ary ny Paramed izay hamoahan’izy ireo mpianatra  andiany voalohany ny volana Desambra ho avy izao, hotolorana ny mari-pahaizana licence na ny Baka+3.  Tsy miova ny diplaoma omen’izy ireo raha araka ny fanazavana azo hatrany fa ny Diplômes de technicien Superieur, ny licence, ary ny master I izay nomarihiny manokana fa nahazoany fankatoavana avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony no sady eken’ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ihany koa. Tsiahivina moa fa tsy niakatra ny saram-pianarana ho an’ny UPRIM manokana no sady mahazo connection tsy mitsahatra ihany koa  ny mpianatra. Mikasika ny aretina Pesta manokana dia hanadio tanteraka ny sekoly etsy Andavamamba izy ireo aorian’ny zoma ho avy izao, hahavitan’ny soutenance-n’ireo mpianatra miisa 120 niatrika izany nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • UCM AMBATOROKA
  • Zoma 27 Martsa 2026

Feno 10 taona ny sekoly doktoraly

  • MPIASAN'NY CROUA
  • Talata 17 Martsa 2026

Miantso fampitsaharana ny

  • Fanaovana tsinontsinona ny
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

kalitaon’ny fanabeazana

  • Pr Panja Ramanoelina
  • Zoma 13 Martsa 2026

"Tena ilaina ny fitsipi-pifehezana

  • CEO SUMMIT Indian Ocean
  • Alatsinainy 09 Martsa 2026

Hizara ny traikefany eo amin'ny

  • SALON DES ETUDES
  • Alatsinainy 23 Febroary 2026

INTERNATIONALES ANDIANY FAHA-16

Hijery ny tohiny
FTT