Fampianarana

Sekoly ambony tsy miankina Nahenan’ny fanjakana ny hetra aloany


  • Talata 20 Oktobra 2020

Raha nisy ireo tena lasibatra indrindra nandritra ny fihibohana nateraky ny valan’aretina Covid 19 dia lohalaharana amin’izany ny sekoly tsy miankina.

 

 

 

Ny saram-pianaran’ny mpianatra mantsy no tena hahafahan’izy ireny manodina ny asany amin’ny andavanandro ka tafiditra ao anatin’izany ny hofantranon’olona. Ity farany no tena naha banky ropitra ireo sekoly tsy miankina raha araka ny fanadihadiana natao. Nanaiky ny fanemorana ny fandoavana ny hofantranony mantsy ireo tompon-trano sasany saingy tsy nanaiky ny fanenana izany kosa na dia kely aza. Tsy maintsy naloha ihany koa ny karaman’ireo mpiambina sy mpanadio. Na izany aza anefa dia efa mba nijery azy ireo ny fitondram-panjakana raha araka ny fanazavan-dRamihandrisoa Rabaritsimba Lalaina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly ambony ISSUP. Nahenan’ny fitondram-panjakana 10 % mantsy ny hetra alohan’izy ireny izay mbola hirariany hatrany ny hidinan’izany ho ambany kokoa. Mikasika ny sekoly ambony izay tantanany manokana dia fantatra fa omaly alatsinainy 19 oktobra no niditra ny mpianatra. Ireo mpianatra afaka bakalorea teo aloha aloha no noraisiny tamin’izany raha mbola handeha ihany koa ny fidirana vaovao ho an’ireo mpianatra vao niatrika ny kabalorea nanomboka omaly. Ankoatra ny fahatongavan’ny mpianatra any an-tsekoly dia efa mampiasa ny NTIC ihany koa ny ISSUP amin’izao fotoana amin’ny alalan’ireo taranja marobe misy ao aminy toy ny commerce international, ny “administration d’entreprise”, ny “gestion”, ny comptabilité financière….Hankatoavin’ny fanjakana avokoa moa ny diplaoma havoakan’ity sekoly ambony iray ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Antehiroka
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Vita ny lisea vaovao

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

Hijery ny tohiny
FTT