Fampianarana

Sekoly ambony momba ny varotra sy ny fifaninanana Mpandraharaha matihanina amin’ny fanondranana no tanjona


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina ny mpianatra andiany faha-10 tao amin’ny sekoly ambonin’ny varotra sy ny fifaninanana (INCC).

33 mianadahy no navoaka tamin’ny fiofanana fohy (cycle court) natao nandritra ny 3 volana ary nizarana mari-pankasitrahana izy ireo. Nanazava ny tale jeneralin’ny sekoly, Rasoavelona Victorine fa efa 367 no mpianatra efa nivoaka tao amin’ity sekoly ity. Nisy ny  fanadihadiana  nataon’izy ireo tamin’ny ankizy miisa 100 efa nivoaka tao ka ny 45% amin’ireo no nahita asa mifandray tsara amin’ny fiofanana, 25% miasa amin’ny sehatra varotra , 10% no nahatsangana orinasa madinika ary ny ambiny kosa dia miasa amin’ny fanjakana sy sehatra hafa mihitsy. Nanamafy ihany koa ny tonian’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, Rakotomanga Solo Haritiana fa tanjona ny hananana mpandraharaha matihanina, indrindra ny amin’ny fanondranana entana mankany ivelany. Anton’ny fiaraha-miasa tsy tapaka amin’ny minisitera sy ny INCC io. Rehefa voafehy tsara ny tsena ivelany dia miakatra hatrany ny vola vahiny miditra noho ny fanondranana atao. Olana hatrany mantsy ny tsy fisian’ny traikefa sy ny tsy fifehezana ny fifaninanana misy amin’ny mpandraharaha malagasy ka itony fiofanana itony no hiteraka fahaiza-manao mba ho tombony hatrany ny maha mpikambana an’i Madagasikara amin’ireny tsena iraisam-pirenena tahaka ny SADC sy ny COMESA ireny.

Tsirinasolo


   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT