Fampianarana

SEKOLY AMBONY IST Miezaka manome vahana ny voka-pikarohana


  • Alakamisy 15 Jona 2017

Fomba fiasan’ny sekoly ambony IST ( Institut Supérieur de Technologie) eto Antananarivo nanomboka tamin’ny 2016 ny fanamafisana sy fanatsarana kokoa hatrany ny voka-pikarohana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka ao aminy.

 Amin’ny alalan’ny fihaonany mivantana amin’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka aminy no hanatanterahiny izany. Eo ihany koa ny fihaonana eo amin’ny samy mpampianatra, raha ny fanazavan-dRakotomalala Jean Lalaina, tale jeneralin’ny sekoly. Nampiavaka  ny tamin’ity ny fisian’ilay  fifanakalozan-kevitra sy  fanomezam-baovao eo amin’ny fikarohana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny minisitera, ny orinasa, ny AFD…Nomarihiny manokana fa tsy mionona fotsiny amin’ny fikarohana ny IST fa miezaka mampihatra ilay  drafitra momba tetikasa ihany koa mba hampidi-bola eo amin’ny tontolon’ny fikarohana sy ny fampianarana. Notanterahina afak’omaly teny  Antaninarenina ny andro natokana ho an’ny fikarohana andiany faharoa amin’ity taona 2017 ity,  notanterahin’ny sekoly ambony IST sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • «Rentrée
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

solennelle » an’ny fampianarana teknika

  • METFP-FIANARANTSOA
  • Zoma 20 Novambra 2026

Raikitra ny fihaonambe,

  • Fanavaozana
  • Alarobia 11 Novambra 2026

ny sehatry ny fanabeazana

  • Pan-African
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Robotics Competition 2026

  • Fandaharan’asa
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

English Access Mpianatra

  • Fampianarana
  • Zoma 30 Oktobra 2026

ny zanaky ny mpitondra any ivelany

Hijery ny tohiny
FTT