Fampianarana

SEKOLY AMBONY IST Miezaka manome vahana ny voka-pikarohana


  • Alarobia 14 Jona 2017

Fomba fiasan’ny sekoly ambony IST ( Institut Supérieur de Technologie) eto Antananarivo nanomboka tamin’ny 2016 ny

 


 fanamafisana sy fanatsarana kokoa  sy hatrany ny  voka-pikarohana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka ao aminy. Amin’ny alalan’ny fihaonany mivantana amin’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka aminy no hanatanterahiny izany raha eo ihany koa ny fihaonana eo amin’ny samy mpampianatra, raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Jean Lalaina, tale jeneralin’ity sekoly ambony iray ity. Nampiavaka  ny tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavana hatrany ny fisian’ilay  fifanakalozan-kevitra sy  fanomezam-baovao eo amin’ny lafin’ny fikarohana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’izany ny ministera, ny orinasa, ny AFD…Nomarihiny manokana moa fa tsy mionona fotsiny amin’ny fikarohana ny IST fa miezaka mampihatra ilay  drafitra momba tetikasa ihany koa mba hampidi-bola eo amin’ny tontolon’ny fikarohana sy ny fampianarana. Notanterahina omaly tetsy Antaninarenina ny andro natokana ho an’ny fikarohana andiany faharoa amin’ity taona 2017 ity,  notanterahin’ny sekoly ambony IST sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fampianarana

  • Fanovana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

mikasika ny fanadinana bakalorea

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Zoma 11 Septambra 2026

«Zava-dehibe ny fampiasàna ny nomerika»

  • Vatsim-pianarana avy amin'ny JICA
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Malagasy telo hanohy

  • Mari-pahaizana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

nomerika ekena iraisam-pirenena

  • Fanatsaràna ny fampianarana
  • Alatsinainy 31 Aogositra 2026

Nitohy tany Tsaramandroso ny diabe

  • Oniversiten'Antananarivo
  • Alakamisy 27 Aogositra 2026

14.400 eo no mpianatra

Hijery ny tohiny
FTT